Ny foko no mibaiko (Faniah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ahoana moa ny fiainako
Raha tsisy anao
Tsapanao ve ny alaheloko
Raha lasa ianao
Tonga nefa ilay andro
Nandehananao ,oh oh oh oh oh
Ka veloma nifandao

Malahelo anao ny foko
Tiako ianao ka tsy ho soloiko
Efa lasanao ny saiko
Satria ny foko no mibaiko

Nivavaka mafy aho satria
Nino sy nanantena ilay fitia
Nomen’Andriamanitra maimaim-poana
Ka matokisa ianao fa ny fitiavako tsy ho foana

Malahelo anao ny foko
Tiako ianao ka tsy ho soloiko
Efa lasanao ny saiko
Satria ny foko no mibaiko

Mbola ho avy ‘lay andro tsara
Ahatsiarovan’indray ilay tantara
Indrisy anefa, ooh tô fahoriana
Satria vita taty aoriana

Malahelo anao ny foko
Tiako ianao ka tsy ho soloiko
Efa lasanao ny saiko
Satria ny foko no mibaiko

Mmmalahelo anao ny foko
Tiako ianao ka tsy ho soloiko
Efa lasanao ny saiko
Satria ny foko no mibaiko

Malahelo anao ny foko
Tiako ianao ka tsy ho soloiko
Efa lasanao ny saiko
Satria ny foko no mibaiko

Tonony, feony, fandrindrana : Andry Michael RANDRIANTSEVA 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faniah
Vangy : 3356
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/11/2017 16:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752