You are here: home > Tononkira > faly joyce

Ray (faly joyce)

Ray, izaho mitalaho        
mamerina ireo hadisoako hatrizay
eny tsy hoe maka fanahy
fa milaza izay mba ao am-poko ao
Ity mahatsapa tena aho
fa nanao izay tsy mety aminao
nefa izao anio zao
indro miankohaka, mifona aminao

Eny Ray, tsy mendrika ny zanakao aho
nefa mitalaho, ny ditrako hatrizay mba avelao
Henoy aho, mifona fa tsy hanao ireo ditra intsony
ka ny omaly ho adinoina fa ny androko sisa
laniako hanompoana anao

Ray, be ny adalako
hifonako tsy himpodiko inttononkira.serasera.orgsony
Tompo Ray Tsitoha,
ny faniriko mba hanaraka anao io
Mba raiso fa diso
nanao ny rehetra nanafintohina anao
Atolory anahy ny paradisa
Dia ny zava-bita re ry Tompo avelao

Eny Ray, tsy mendrika ny zanakao aho
nefa mitalaho, ny ditrako hatrizay mba avelao
Henoy aho, mifona fa tsy hanao ireo ditra intsony
ka ny omaly ho adinoina fa ny androko sisa
laniako hanompoana anao                                                                                          


Tonony sy feony : Faly Joyce

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : faly joyce
Mpamaky : 72
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : fj_star
Tamin'ny : 13/01/2018 15:21:49
ID : 10267

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo