Valio an-kira (Erick RAKOTONIRINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao mandre izao antsoko izao ianao
An-kira ihany koa no hangatahako hamalianao azy
Tahak'ireo, ireo hira mitory fitiavana
Kaloinao malefaka, ankafiziko, efa reko matetika
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No tsy hita sy re na nandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa natolotrao an'olon-kafa.

Tsy hitanao intsony ny aty aminay
Fa na singan-taratasy iray monja tsy nisy akory
Miandry anao, mbola miandry hatrany hatrany e
Lasan'eritreritra ka hiantso an-kira sisa no fara-hevitra
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No dia tsy hita sy re na mandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa natolotrao an'olon-kafa


Raha vao mandre, izao antsoko izao ianao
An-kira ihany koa no hangatahako hamalianao azy
Tahak'ireo, ireo hira mitory fitiavana
Kaloinao malefaka, ankafiziko, efa reko matetika
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No tsy hita sy re na mandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa natolotrao an'olon-kafa
--------
Rohy:
Hevitra
rado15 ( 23/03/2015 18:01)
Tsara le hira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick RAKOTONIRINA
Vangy : 12016
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/07/2014 15:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114