Ramaloya (Erick Manana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 1702
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 05/11/2001 09:11:11
ID : 254

Imprimer Facebook Facebook
Injay manako any ambadika any feon’angorodao ee!!
Miampy korintsana, mitopatopa malefaka
Arahina lamako, velively daba, kidodon-tany ee!!
Mila any i Maloya ry zareo ka samia misikina

Somary milaika tsy rototra firy kanefa miangola
Fa mody tsotsotra tsy dia be filatro fa midoladola
Arahina tsiky tosiky ny fo ka maharavoravo ee!!
Izy no Maloya ka handihizo miadana

F’efa latsaka anaty tena lalim-paka ka tonga fanahy
Nandalo sikilôny niampy avandra, fa izy tsy maty
Fanilon’ireo olo-maro voarara tsy hahita masoandro
Izy no Maloya, naterak’i la Reuniô

O Ramaloya! ity aho Ramaloya
Mba ho ento misidina,
Misy ratra tsy sitrana

O Ramaloya! ity aho Ramaloya
Aleveno ao anatin’ny dihy re
Ny lasanay ndrao hanahirana

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo