Ny zanako (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zanako mantsy ka zanako
Izy no hany fananako
Izy no tompon’ny aiko
Mpandidy sy tena mibaiko

Nilomako rano tsy tiana
Namoizako ireo fifaliana
Niankinako rindrina irery
Fa tsy nilako mpijery


Ny zavatra vitan’ny tanako
Dia nataoko mba ho an’ny zanako
Ka na inona loza mihatra
Ny zanako tsy mba hahantra
Aina avy amin’ny aina
Ka tsy afoiko, tsy afoiko ferin’aina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 6401
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 29/10/2001 19:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745