Fofompofony ihany sisa (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fofompofony ihany e, sisa no tavela
Dify ilay malala fa tsy tana
Lasa ny vinany, mangidy izay jerena
Niova lasy izy fa tsy tamana

Mahatsiaro ho verivery mamisavisa hira
Irony andro mamy fahizay
Tanisanisa irery dia very nandankira
Tsy mety mino hoe vita hatreo ny anay

Veloma masina e ! Veloma ry tina ô !
Tandremo, tandremo, tandremo ny miherikerika raha handeha hoany a
Tandremo re, tandremo oa ny manembonembona ny aty fa efa tsy any intsony aho
Veloma masina e! Veloma ry tina ô!
Indrisy, Indrisy, indrisy souvenir ihany sisa tavela a
Indrisy re, indrisy oa fa ilay tantely mamiko indrindra no nanapoizina ahy

Ny rivotra mitsoka manditsoka ny maso
Mivimbina alahelo feno latsa
Injao misononoka ny onjan’ny ankaso
Manaitra izany foko efa maratra

Fofompofony ihany e, sisa no tavela
Dify ilay malala fa tsy tana
Lasa ny vinany, mangidy izay jerena
Niova lasy izy fa tsy tamana

Veloma masina e! Veloma ry tina ô!
Indrisy, Indrisy, indrisy souvenir ihany sisa tavela a
Indrisy re, indrisy oa fa ilay tantely mamiko indrindra no nanapoizina ahy

Fofompofony ihany e, sisa no tavela
Fofompofony ihany e, sisa no tavela
Fofompofony ihany e, sisa no tavela
Fofompofony ihany e, sisa no tavela
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 4022
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : adrien.malalasoa
Daty : 25/04/2015 12:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743