TIAKO LOATRA (elsie)

Mpihira : elsie
Mpamaky : 1705
Nampidirin'i : hertix
Tamin'ny : 21/06/2006 04:58:35
ID : 3724

Imprimer Facebook Facebook
Ataoko ampy ahy ireo ’zay natolotrao
Nolazainao fa hoe avy ao am-po
Ary ampy hifaliako, f’efa natokana ho ahy
Ilay fitia ’zay nadrasako

Tsy misy ilaiko, raha ny ankoatra anao
Fa ny masaka an-tsaiko dia ianao

Fa tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Na ho mafy na ho mora no iarahantsika roa
Tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Tsy haharesy lahatra ahy ’zay milaza fa ianao,
Tsy ho ahy

Tsy hitady intsony aho, hafa hasolo anao
F’efa ianao no andry iankinako
Ary omeko ny foko, tsy hiandry tambiny aho
Fa hafoiko eny ny amiko

Tsy misy ilaiko, raha ny ankoatra anao
Fa ny masaka an-tsaiko dia ianao

Fa tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Na ho mafy na ho mora no iarahantsika roa
Tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Tsy haharesy lahatra ahy ’zay milaza fa ianao,
Tsy ho ahy

Tonony sy feony: Elsie
Programmation: Haja Rakotonimanga

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo