EO ANILANAO (elsie)

Mpihira : elsie
Mpamaky : 1123
Nampidirin'i : fahamarinana
Tamin'ny : 12/03/2010 21:15:23
ID : 5823

Izaho sy ianao
Malaina ny hisaraka
Fa maro ireo ora niarahana
Ny fotoana nefa
Tsy hamela antsika hanohy
Ireo nofinofy izay nifanolorana

Ka handeha ianao
Handao ahy lavitra
Nefa mino aho
Ianao tsy hanadino ahy
Ny foko mba tsy tony hilaozanao
Ka aza adinonao

ref...Na alina na andro
No ahatsiarovanao ahy
Ny hirako no kaloy
Fa ho eo anilanao aho

Izaho sy ianao
Na tsy hiray lalana
Fa fohy ihany
Ny fotoana niarahana
Ny fitiavantsika
Tsy avela tsy hikolo
Ary tsy hangatsiaka
Hiaina hatrany ao am-po

Ka handeha ianao
Handao ahy lavitra
Nefa mino aho
Ianao tsy hanadino ahy
Ny foko mba tsy tony hilaozanao
Ka aza adinonao

ref...Na alina na andro
No ahatsiarovanao ahy
Ny hirako no kaloy
Fa ho eo anilanao aho

------
ref...

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo