Betroka (Elita)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Razor]
Ny any atsimo ny malaso, kolon-tsaina fa tsy hoe akory tsy fananana
Ny olona manan-katao dia izay manana omby maro am-pelantanana
Fanaporofoana fa mahavelona, mahavelom-bady aman-janaka
Mahavita mangalatra, mandatsa-drà, amin'izay reto farany tsy ramaka
Tsy vitan'izay, ny mpanararaotra etsy andaniny, ny volam-panjakana efa laniny
Ny olana no asaina alaminy dia fitaovam-piadiana no ampindraminy
Omena ny tsy mataho-tody, hamonoana olona sy hangalaran'omby
Dia lasa valifaty @ samy malagasy, mifandefa any @ varo tsy mifody
50 lahy no manafika, tanàna iray ho lasa mandositra
Mamay raha ny faritra atsimo, efa tafiakatra hatrany Ambositra
Mihevi-tena ambony lalàna, tsy andairan'ny sazy dia mahasahy mamono
Dia avy eo tsy miteny, tsy mivolana rehefa tsaraina Ratokanono

[Gigstah]
Tonga soa, aty betroka, aty ny dahalo mamono ny alahala kely
Voatsindron'antsy hatramin'ny tsin bevohoka lavitry ny fiainana Analakely
Kere mamely, na lehibe na kely, ny vakin-trano no mamelona
Ny fanjakana very ka ilaozany mijery ny vahoaka milevim-belona
Omby aman-jatpny no miaraka tsy hita, mamay ny tanàna fa lavitry ny hatsiaka
Zandary sa dahalo no miaro antsika, vo mipoaka ny afera izy ireo no miaraka mitsiky
Avy aiza ny basy, fa iza ny mpamatsy an'ireny fitaovam-piadiana mahery vaika
Mia maty ny gasy, ny tontolo mia ratsy, memorandum no mahamaika
Vo raikitra ny sahotaka, ny mponina ao an-tanàna rehetra latsa-drà
Amin'ny vehivavy mifarombaka, voavono sy voaholana ny rehetra izay tratra
Rehefa miseho ny lehiben'ny tafika vo mody mibetroka
Tsy mampino hoe ny dahalo indray no manafika toby miaramila any Betroka

[refrain]
Ihosy, Ankazoambo, Ampanihy, aty zao mangotraka
Rehefa tonga dahalo, raikitra ny rotaka aty Befotaka
Bekily hatrany Beraketa, tonga hatrany Ambovombe
Izahay leo raketa, ny mpanaradia tonga hatrany an-tampon'ny Horombe
Rehefa masoandro miletika, izy mahery fihetsika
Maty paika ny tetika, satria te ho tretrika
Rehefa ny basy mibetroka dia midonaka ny setroka
Tonga soa eto Betroka, tonga soa eto Betroka

[alien xkai]
Avy aiza reo basin'ny dahalo? Izy ireo ve no tena fahavalo?
Mahantra fa zanaka maro voalohany ka hatramin'ny fahavalo
Manilika ny fiaraha-monina, ny zandary mandainga, foronina
Androany be ny marina ho tononina, inoako fa handratra fon'olona
Kere ny any atsimo, maranitra ny antsiny, iza no omena tsiny?
Reo dahalo manafika sa reo mpitondra mandray ny hena matsiro
Vahoaka mitan-jiro, dahalo niova fo sy mpitondra mifamihana
Omby amin'arivo, ampitomboana roa @ zay vo mifaninana
Ny fanjakàna manome ny fitaovana, tsy hiariana fa hiadiana
Tsisy sekoly na fotoam-pilalaovana rehefa natao ny fanadihadiana
Kely dia efa be famaliana, tsisy anatra @ny fianakaviana
Ankavanana ny filaminana, naleony nizotra ankavia

[el jhee]
Fongory ny dahalo, fa mampitsoaka ny mpizaha-tany
Lasa tsisy takalo, ny fananam-bahoaka, ripaka lany
Ny tanàna mifamely, @ny antsy maranitra tsisy vahaolana
Ny fanantrnana very, lasa aiza andriamanitra fa be reo voaholana
Be ny lasan-ko babo, ao ankazoabo, befotaka atsimo
Tsisy fianarana bado, reo zanak'i DAGO ao @ny faritra atsimo
Tsy zarizary ny fiainam-bahoaka izay tsy minam-bary
Tsisy hopitaly, aiza moa no tsy hitroatra, tsy mila kabary
Ny «opération tandroka», dua avy eo ny fahalemana to tsisy manjary
Bo maika mandrangitra, mahasanganrhana maty ny zandary
Ny fanjakàna marefo, ny mpitondra malemy, ny fitsaràna mitanila
Ny dahalo no mandrefy, tao no vita batemy I REMENABILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Elita
Vangy : 1287
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/01/2016 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1238