You are here: home > Tononkira > ELAM

Tantaranay (nap's & rafah) (ELAM)

Toa manirery aho rehefa tsy mahita anazy eh
Mahatsiaro ho very aho ka mba henoy alo ay tantaranay
Ehiii !! tsy miova ilay tantarantsika ohatran’ny tamin'nyy voalohany
Tantaranay ho'aho ny tantaranay fa vao mainka mihamafy ny antsika roa
Na misy ny mafy aza miaritra, jereo tsika roa mahafinaritra
Na misy ny akama mpangarika fa tsy rarahian’i ranap’s ah
Fa 'zaho ngah baolina no anaovanareo amkisisika
Ny ahy iny ihany no tiako matoa  zaho aloha nahasahy nirisika
Fa iny Malala ny foko ô !! mpanjakan’ny foko ô
Na be dia be ny maro lokoTsiky dia ampy ô
Fa mandrakizay tsy ho soloiko ô

Ref : ‘lay tsikinao iny ve no nahasarika anahy
Sa ianao nandalo mihitsy no nambabo ny fanahy?
Fa tiako tena tiako mihitsy ianao
Raha ianao no anjely kely antsoina hoe silam-panahy
Ay ay ay ay x4

Ny ho avintsika any aoriana indray jerena , lay tantarantsika roa anie azo ekena
Misy anao anie zaho mba manana ny harena, an-tsitrapo be ity fa tsisy hoe noterena
Mandray taraina, zaho manan’aina
Lay tantarantsika roa ho tantaraina
Ho ren’izao tontolo izao fa tsika tsy hifandao
Fa mandrakizay doria fa mbola mitohy ny tantaranay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ELAM
Mpamaky : 159
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : hirantsika
Tamin'ny : 21/03/2019 10:58:21
ID : 11487

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo