Indray andro any (Edena Vaovao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Indray andro any eto antany
Hisy nenina sy tomany
Satria voafitak' i satana hanao ny asany
Ka helo afo tsy miato no hiainany any ho any
Satria jesosy ilay mpamonjy efa nolaviny
Ref; nefa tsarovy fa anio
Mbola miantso anao jesosy
Miverena,mibebaha ianao
Ny rany izay nalatsany
Dia ho very maina sanatria?
Fa hamonjeny anao izany
2. 'reo rendrarendra sy filana izay afafin'ilay satana
Dia mahasintona ny maro hanaraka azy
Na manan-kaja na mahantra dia voafitak'ilay satana
Amin'ny fomba samihafa raha tsy mitandrina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Edena Vaovao
Vangy : 1432
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : phy_ayna
Daty : 11/09/2018 17:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757