Tsy te handao (E.B.D)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao io my girl tsy ho afaka ato ampoko
Na tsara ianao na ratsy, matokisa tsy soloiko
F’efa lasana ny foko ka tsy miova hatram’izao
Na hoviana na hoviana dia tiako foana ianao
Ty aloh zao porofo atolotro hoanao
Tena avy amin’ny fo fa tsy misy kilalao
Tsy misy sangisangy ty na kozikozy amba-bava
Fa tsika roa mitambatra tsy poins vôrava
Na za ho vaky vava, na hiditra ny fonja
Fitia efa voasedra ka mahery noho ny asidra
Na hanorana na hanavandra, Fitia efa tsy ho rava
Ze mitetika ny hamingana dia potika ny vava

Refrain:
Tiako tena Tiako ianao
Eto antany tsy hisy ahasolo anao
Omeko anao lay fitiavako ao
Efa lasanao ka “Tsy te handao”

De ataoko toy ny rano mifafy ambony gisa
Reo mpanenjika tsy tia, mpandrava ny lalantsika
Sao dia mihevitra ny tenako izy hoe bandy mora afindra
Hoe hivadik’aminao aho dia omeny sipa mirindra
Zany aloha tsy ekeko rah irediredy aty
Sady fiainana taloha le hoe tolorana fitia
Ka ambay ianao tary fa tsy ho atakaloko azy
Izy no efa tiako sady ataoko mariazy
Ho anao ty cheri ka mba matokisa anah
Efa vita fatomaty ato ampoko lesy ela a!!!
Ka raha sanatria tsy poins fa rediredy zao
Inoako fa tsy avy amiko, fa angamba avy aminao

Refrain:
Tiako tena Tiako ianao
Eto antany tsy hisy ahasolo anao
Omeko anao lay fitiavako ao
Efa lasanao ka “Tsy te handao”

De zao aki llay andro hikôziko ny ato anatiko
Ataoko reny pokna fa ela ka tsy tantiko
Ny tsy hilaza aminao ny miafina ato ampoko
Fa toy ny vay ankandrina le hoe “Ianao no Tiako”
Tsy takona afenina fa toa mibaribary
Lay fitiavako mahery avy amin’ny Zanahary
Omeko anao tsy hindramina ka raiso d’anjakao
Ataovy toy ny tsiky zay tsy afaka aminao
F’ianao io lay tokana tsy ho afaka ato amiko
Na lavitra na akaiky de ianao aloha no tiaviko
Za natao hoanao, ianao natao ho anah
Fitia tsy kilalao ty ho atolotro hoan’Toi!!!!

Refrain:
Tiako tena Tiako ianao
Eto antany tsy hisy ahasolo anao
Omeko anao lay fitiavako ao
Efa lasanao ka “Tsy te handao”


Lyrics by Ean'j Big Dog
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : E.B.D
Vangy : 2817
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bigdog
Daty : 03/12/2013 08:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2508