TSAROVY (DWAYNE ALI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
iehhh!o!o!o!o!o
iei!!!
Tsy hoe tonga lafatra fa mba tongava saina
Fa io zay ataonao io
Anontanio mangina tsy hadisoako aorina hoavy

Raha tojo fahoriana mafy ianao
Dia izao no tsarovy
Noho ny ditranao ihany ka mahaiza mifona
f'izy tsy mba nanadino,tsy hanalavitra akory
fa nanadio ny ota zay vitanao

refrain:
Tsarovy zanany ianao
Matoa izy nanolotra ny tenany ho faty
Ho faty ho solon'ny helokao ka aza migafy
Tsarovy tiany anie ianao
Fa ianao nidify ka nanao izay mba tiana
fa tsy mba mieritreritra hiseho any aoriana
Ny fiainanao

Be famaliana, maditra tsy hay tenenina intsony
Manao be loha, manamavo izay mba sentrin'ny fo

F'ity tsy fantatrao f'izy tsy mba nangina
Nanao izay fara-fahaizana ho anao tsy ho very
Tsy hiaina eto an-tany foana ianao fa vahiny
ka andao mba hiara-dalana fa aza variana

ref:
Tsarovy zanany ianao
Matoa izy nanolotra ny tenany ho faty
Ho faty ho solon'ny helokao ka aza migafy
Tsarovy tiany anie ianao
Fa ianao nidify ka nanao izay mba tiana
fa tsy mba mieritreritra hiseho any aoriana
Ny fiainanao

Tano ilay mahery fa ho azonao izay irina
tano ilay mahery fa ho hitanao izay mahasoa
Tano ilay mahery fa ho azonao izay irina
tano ilay mahery
f'izy no anafaka anao

ref:
.........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DWAYNE ALI
Vangy : 2062
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : rixman
Daty : 06/09/2017 20:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713