Le Boto (Dor's Group)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao mba lehilahy nikarama
miana-biavy mitondra tena
sendra patrô mba tsy valahara
Leboto very tonengy e
oa rô lagny fagnahy
manano zaridaina
mitati-drano
mamaky kitay na borosy trano
manampy zara amin'ny mpanam-bola
Leboto vadin-karegna eee
Reraky ny aina tsy te hiasa
viavy nalaina mitoe-jaza
mbola tampohin'ny mitondra tena
Leboto mahatsiaro an'i Baba e
arô tomany an'i Endry e,
Mivavaka mafy amin-Jagnahary
ho salama vatana tsy harary
vonona hijoro ho lehilahy
Leboto tsy maintsy manompo ô.

EEE ia!
nahita an'io kosa ilay patrô
moa dia nanararoatra nanjakazaka
tsy nanoka-bava raha tsy kôsô
tahak'io boza io ilay boto mba mizaka e

OEEE ia!
anao patrô moa dia mahavariagna
fa mahadigny raha tsy tiany loatra
nikoragna amin-dambo kanefa andriagna
mandritry ny androm-piaraha monina
vinitra nisentosento i pata
namokovoko namango daka
Ileboto aby tsy dia taitra,
dila valaka ingahy pata
lavo nantoetra eee! ia


....(intro tsara ny mankalaza Anao)


Eee ia!
taitra mafy Leboto dia dila nody
tsy nandraho na dia ariary maty
ka ny hafa indray ka nisodisody
vakalahy Ilay boto tsy mba miady

Ô ieee!
telo andro Leboto dia nahita
olondrohi-namana mpanambe
nandimby fiainana dia tsara vita
Mifindrà ato omena trano namanay
sempotra Leboto ravo loatra
latsa-dranomaso tsy nety nino
nisento lery dia namoaka
matokisa ianao Leboto n'ino n'ino ôôô

Vao mba lehilahy nikarama
miana-biavy mitondra tena
sendra patrô mba tsy valahara
Leboto very tonengy e
oa rô lagny fagnahy
manano zaridaina
mitati-drano
mamaky kitay na borosy trano
manampy zara amin'ny mpanam-bola
Leboto vadin-karegna eee
Reraky ny aina tsy te hiasa
viavy nalaina mitoe-jaza
mbola tampohin'ny mitondra tena
Leboto mahatsiaro an'i Baba e
arô tomany an'i Endry e,
Mivavaka mafy amin-Jagnahary
ho salama vatana tsy harary
vonona hijoro ho lehilahy Leboto tsy maintsy manompo ô.(2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dor's Group
Vangy : 3375
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 30/10/2014 22:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375