You are here: home > Tononkira > dondolah

Zay dia zay (dondolah)

Tsy mety intsony aho
Fa ny ahy rehefa izay de zay
Tsy lasa intsony
Ireo mpanatsatso sy miteny
Fa fitiavako io,  safidiko io
Ny ahy izay tiako ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no miteny ahy

Tsy lasa intsony
Ireo fosafosanao hatrizay
De zay
Tsy mety intsony aho
Tsy izay lazainao de ekeko
Fa fitiavako io, safidiko io
Ny ahy izay tiako ihany
Tsy mety intsony aho
raha mbola ianao no mibaiko ahy

Izy no tiako tena tiako
Tiako fotsiny tsotra izao
Tsy hoe teren'ilay fitia
Izay sitra-po no hiafarany
Fa safidin'ny fo, fitiavako io
Ny ahy izay tiako ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no miteny ahy

Izy no tiako tena tiako
Tiako fotsiny tsotra izao
Tsy hoe teren'ilay fitia
Izay sitra-po no hiafarany
Fa safidin'ny fo, fitiavako io
Ny ahy izay tiako ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no mTsiky dia ampyiteny ahy

Tsy ho milaza aho,
fa tsy azo atoro aho indraindray
De zay
Tsy mba miteny aho
Mahavita tena aho, sanatria
fa safidin'ny fo, fitiavako io
Tsy hoe izay tianao ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no miteny ahy

Izy no tiako tena tiako
Tiako fotsiny tsotra izao
Tsy hoe teren'ilay fitia
Izay sitra-poko no hiafarany
Fa fitiavan'ny fo, safidiko io
Ny ahy izay tiako ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no miteny ahy

Izy no tiako tena tiako
Tiako fotsiny tsotra izao
Tsy hoe teren'ilay fitia
Izay sitra-poko no hiafarany
Fa safidin'ny fo, fitiavako io
Tsy hoe izay tianao ihany
Tsy mety intsony aho
Raha mbola ianao no miteny ahy

raha mbola ianao no mibaiko ahy
Tsy mety intsony aho
raha mbola ianao no miteny ahy
-Tsy mety intsony aho
raha mbola ianao no mibaiko ahy
Tsy mety intsony aho
raha mbola ianao no miteny ahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : dondolah
Mpamaky : 131
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : noname19
Tamin'ny : 07/08/2018 18:39:29
ID : 10856

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo