Aza manadino anay ê (Dama)
Mpihira : DamaMpamaky : 1332
Nampidirin'i : lemenakely
Tamin'ny : 20/05/2006 13:35:10
ID : 3664 1-Aza manadino anay e
nareo izay any ambony any
asa raha misy mandray e
izany vavakay izany
mitodiha vetivety
mbà henoy ny vavakay
ny eny ambony eny efa mety
ny ety ambany mbà androtsahy.
2- Ianareo no nirariana
mba hanavotra ny tany
mangeja mafy ny fahoriana
tsy resinay ety ambany
ny antsonay misesisesy
midina ampio izahay e
ianareo mety handresy
raha tena eo anilanay
isika mety handresy
raha efa niaraka hatrizay
3- Mikapoka mahamay
ny fiainana izay manery
ny valim-bavaka azonay
dia ny hoe mahareta fery
aza manadino anay e
ianareo izay any ambony any
aza mbà manary anay e
raha mbola samy eto an-tany
aza mbà manary anay e
raha mbola samy olombelona ihany.




