Niriko (Dadi Love)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Je t'aime. Je t'aime.
Tsaroako tsara anao fa mbola miteny
Dia nangoraka loatra ny foko raha vao naheno.
Ny fitiavako anao izay mba natolotro
Ka noraisinao, tsy nanda azy ianao, izay hafaliana.
Ny voninkazo efa toa mitsiry

Fa sambatra aho raha notoloranao ny fitiavanao
Satria tanteraka izay nokasaiko hatry ny ela
Ny fitiavako anao izay mba nasehoko
Tsy nataonao tsinontsinona
Anao raiky izay tsy miala ato am-poko.

Niriko o, ny hiaraka aminao mandraikizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Niriko o, ny hiaraka aminao mandrakizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Anao tiako

Na betsaka aza ireo miseho, ny momba antsika roa
Kanefa zegny aza ataonao hanjaka fa ao ny fitia, ny antsika
Raha mba misy zavatra tsy mety izay nataoko tsy sitrakao ! hifonako
Hifonako aminao malala aaaan.

Niriko o, ny hiaraka aminao mandraikizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Niriko o, ny hiaraka aminao mandrakizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Anao tiako

Ny fitiavako anao ity tsy hamidy, tsy hatakalo
Anao raiky no fanafodiko, tsy foiko ka notiaviko
Any ianao izay malalako
Mahatsiaro anao zaho zegny
Zaho tsy hanilanao, zaho marary

Niriko o, ny hiaraka aminao mandraikizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Niriko o, ny hiaraka aminao mandrakizay
Niriko hatry ny ela ny hanana anao
Anao tiako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dadi Love
Vangy : 2671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/05/2019 09:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4192