Tantaranao tantarako (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Asa, raha tsy teo ianao
Nanao ahoana ny fizoran'ny fiainako androany
Moa ve hisy tsirony izay rehetra atao
Tsy tiako sainina akory ireo fotoana tsisy anao
Nefa ny ho avy na dia feno ahiahy
Araraotiko ny anio ilazako anao
Amin'ny saiko sy ny foko
No itiavako anao
Izay no mahatonga ahy
Hamerina isan'andro hoe :

Tantaranao izay no tantarako
Izay làlanao tsy maintsy làlako koa
Izay ratranao no ratrako
Ka izay fiainan-kafa
Aleo ho an'ny hafa.

Eo ihany izy fa tsy maty
Tantara tsy ho poakaty
Eo ihany izy fa tsy maty
Fa mandra-maty

Soa ihany fa misy anao
Tsy manary na tsy mifankahazo indraindray
Fa ilay masonao mijery ahy, feno fitiavana
No manarona ireo tsy mety ataoko isan'andro
Ka izay no mahatonga ahy hitahiry tsy an-kiato
Mba ho lamban'akoho ny antsika roa
Indro havaoziko, havaoziko
Amin'ny fo feno fanahy
Ilay voady fahizay
Hamafisiko eto :

Tantaranao izay no tantarako
Izay làlanao tsy maintsy làlako koa
Izay ratranao no ratrako
Ka izay fiainan-kafa
Aleo ho an'ny hafa

Eo ihany izy fa tsy maty
Tantara tsy ho poakaty
Eo ihany izy fa tsy maty
Fa mandra-maty

Mivadibadika ambony sy ambany
Sady tsy an-tany no tsy am-parafara
Raha vao manalavitra an'io tavanao io
Izay ange no mahatonga ahy
Hamerina isan'andro hoe :

Tantaranao izay no tantarako
Izay làlanao tsy maintsy làlako koa
Izay ratranao no ratrako
Ka izay fiainan-kafa
Aleo ho an'ny hafa.

Eo ihany izy fa tsy maty
Tantara tsy ho poakaty
Eo ihany izy fa tsy maty
Fa mandra-maty
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D-Lain
Vangy : 7596
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/02/2019 10:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127