Andao raha sahy (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny omaly tsy mipody
Ny anio fanomezana
Amaray mbola nofy
Araraoty izay omena anao anio
Mitomany izay tsy azo
Mitsiriritra ny hafa
Nefa ny eo ambany maso
Volamena sy diamondra

Avelanao ho very,
Avelanao hisesy izay tonga eo, nama
Nefa ny iray amin'ireny
Ny iray amin'ireny
No hampandroso amin'ny tsaratsara.

Andao raha sahy
Handeha irery tsy miankina
Handeha irery tsy miankina
Tsy hiandry ny hafa
Andao hampiasaina
Izay kely eo am-pelatanana
Izay kely eo am-pelatanana
Andao raha sahy.

Raha ny revy tsy ho lany
Ny mahasoa aloha tsinjovina
dia avy eo maka fafiny
fa ny aina anie tsy roa
dia avy eo manampy ny hafa,
mba manao izay tratra
ka izay nafafinao
ho jinjainao ao aoriana ao.

Avelanao ho very,
Avelanao hisesy izay tonga eo, nama
Nefa ny iray amin'ireny
Ny iray amin'ireny
No hampandroso amin'ny tsaratsara.
Ho amin'ny tsaratsara.

Andao raha sahy
Handeha irery tsy miankina
Handeha irery tsy miankina
Tsy hiandry ny hafa
Andao hampiasaina
Izay kely eo am-pelatanana
Izay kely eo am-pelatanana
Andao raha sahy.

Mandroso hatrany, izay no tanjonao
Aza kivy fa na maloka indraindray ny andronao
Fombany izany raha mbola eto an-tany
Ka raha mbola miaina na eo ny taraina
Dia misy ny antenaina.

Andao raha sahy
Handeha irery tsy miankina
Handeha irery tsy miankina
Tsy hiandry ny hafa
Andao hampiasaina
Izay kely eo am-pelatanana
Izay kely eo am-pelatanana
Andao raha sahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D-Lain
Vangy : 2769
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/05/2019 10:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119