NIOVA FO (CRESCENDO)

Mpihira : CRESCENDO
Mpamaky : 861
Nampidirin'i : fahamarinana
Tamin'ny : 25/03/2011 15:01:47
ID : 5999

Imprimer Facebook Facebook
Lasa izy nandao
Namela ahy irery
Noentiny avokoa ireo enta-kely
Fotoana fohy monja
Noferany ho ahy
Hasambarana fohy
Nandratra fanahy

Nofy avokoa sy tantara ihany
Tsy maty ato am-po
Tsaroako foana hatrany
Ny hany heriko sisa
Dia mba nitanisa sy mamisavisa
Ireo lasantsika

Babonao aho anie fahiny
Tsy izany intsony ankehitriny
Resinao aho teo aloha
Izao kosa efa nifoha

Nataony kilalao
Ireo dina izay natao
Toa very maina zay nokasaina
Ka hiharina aho hitsabo ilay fo
Sy hanitsy indray ny famindra koa

Babonao aho anie fahiny
Tsy izany intsony ankehitriny
Resinao aho teo aloha
Izao kosa efa nifoha

Resinao aho ry taloha
Izaho kosa efa nifoha


CRESCENDO

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo