IRAY (CRESCENDO)

Mpihira : CRESCENDO
Mpamaky : 736
Nampidirin'i : fahamarinana
Tamin'ny : 24/03/2011 14:38:15
ID : 5995

Imprimer Facebook Facebook
Dia nitambatra ho iray
Ireto fo anankiroa
Hirakitra ho mandrakizay
Hiara-hikatsaka ny soa

Ny fitia no nanambatra
Hampiray ny lalana
Ka hanagam-pianan-tsambatra
Izay efa vita sori-dalana

Aoka tsy ho sangisangy
Na atao kilalao
Fa raha simba mampamangy
Tsisy solony azo atao

Fa maro be ireo mpakahala
Midradradra toa adala
Izao no ataovy tarigetra
Ny fahafatesana no fetra

CRESCENDO



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo