SAMBATRA (COEUR de l'ILE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Moa ve tsapanao
'Zao fiainana izao
marefo tsy haharitra ny ety ?
Sambatra izay
manana an'Ilay RAY
Aro sy mpitantana ny dia!
Réfrain : Sambatra ireo izay miankina
amin'Ilay sandry maherin'ny Tsitoha
Sambatra fa tsara ambina
miadana tsy resin'izay manjo

2. Ny làlana aleha
'reo loza marobe
miranty hitelina izao
Nefa he! jereo
misy avotra aseho
dia JESO nomena ahy sy anao
Refrain : Sambatra ...

3. Na inona hanjo
finoana ato am-po
miorina, mamaka sy mangia
NY hametraka
ny enta-mavesatra
eo amin'ILay JESO KRITSY
Refrain : Sambatra ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : COEUR de l'ILE
Vangy : 2007
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dadalala
Daty : 20/01/2014 21:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839