MIBEBAHA ! (COEUR de l'ILE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hatry ny ela be
no efa fantatrao
Fahafatesana anie
tambin'ny ota atao

Koa mibebaha anio
Ny ratsy re ario
Ny fakam-panahy ivilio
Ny ota fadio
'Zay mibebaka am-po
mandray 'Lay RAY TSITOHA
Samy hahazo famindram-po
avokoa

Tsy ho ela dia ho avy indray
Ilay TOMPO TSITOHA
Ho avy Izy ka handray
ireo madio am-po

Koa mibebaha anio
Ny ratsy re ario
Ny fakam-panahy ivilio
Ny ota fadio
'Zay mibebaka am-po
mandray 'Lay RAY TSITOHA
Samy hahazo famindram-po
avokoa
Eny hanan-jo
Ho voavonjy fa tsy ho lo
Amena !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : COEUR de l'ILE
Vangy : 2792
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dadalala
Daty : 17/11/2009 09:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722