MELOHIKO HO FATY (COEUR de l'ILE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Jesosy ô! androany no ambarako tsy miambatra
Ny didim-pitsaran'ny foko ho fantatra
Melohiko mba ho faty avokoa
'Reo toetra ratsy nangeja ahy taloha
Tsy misy omeko ny famindrampo
Ry Tompo Tsitoha

Réfrain : Fa fantatro f'ireo JESO no efitra mampisaraka
Ny Làlako sy làlanao tsy hety ho tafaraka
Ka na dia hisy aza ireo hitoreo
Vao mainka asandratro mafy ny feo
Melohiko ts'isy famindram-po
Noho IANAO JESO Mpamonjiko


2. Fantatro fa tsy mora koa ny hanatanteraka anio
'Ty didim-pitsaran'ny fo ka mba ampio
F'IANAO JESO no hianteherako
Hanampy ahy eo amin'ny toerako
Hamono ny ota nifoterako
sy avelako

Réfrain : Fa fantatro f'ireo JESO no efitra mampisaraka
Ny Làlako sy làlanao tsy hety ho tafaraka
Ka na dia hisy aza ireo hitoreo
Vao mainka asandratro mafy ny feo
Melohiko ts'isy famindram-po
Noho IANAO JESO Mpamonjiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : COEUR de l'ILE
Vangy : 2253
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dadalala
Daty : 27/09/2010 18:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813