Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko.
Ka hanokanako ny andrompiainako ny fiarovako an’ilay reniko.

1)Hikatsaka isan'andro izahay.
Hanatsara hatrany hatrany ny fiangonanao.
Ka na dia maro aza ireo olana.
Tsy hataonay sakana fa hohery hoanay

2)Ny fiangonanao ry Ray
Nataonao ho fiantsoana anay.
Ka hataonay sanatria, ny tsy hamaly.
Ireo antsonao miantso anay.

3)Izahay tanoranao koa ry Ray.
Hanentana ireo namanay.
Hampandroso hatrany ny fiangonanao.
Hampitombo hatrany ireo olonao.

4)Nefa anie izany ezakay izany
Ilanay fanampiana avy aminao
Ka esory eo aminay izay mety ho sakana
Tsy hahafahanay ny hidera anao


A/C : EPALA Lovasoa Huberto Fortunat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa
Vangy : 1260
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hubertoepala
Daty : 08/08/2017 06:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718