Hafatr'i Kristy (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô, tsy mendrika aho
Ny hidiranao ato amiko
Fa manonona teny iray
Dia ho sitrana ny fanahiko
Tsy hahadiso anay anie Jesoa ny fandraisanay izao vatanao izao
Tsy hanameloka anay koa ny fisotroanay ny ranao izao
Tsy hahadiso anay anie Jesoa ny fandraisanay izao vatanao izao
Tsy hanameloka anay koa ny fisotroanay ny ranao izao

1.Fa tamin'izy efa hatolotra hijaly dia nandray ny mofo ary nisaotra
Nizarazara sy nanome ireo mpianany ka nanao hoe:
Fa tamin'izy efa hatolotra hijaly dia nandray ny mofo ary nisaotra
Nizarazara sy nanome ireo mpianany ka nanao hoe:
"Samia mandray sy mihinana amin'ity ianareo
samia mandray sy mihinana fa vatako ity atolotro anareo" (Hoy i Kristy)
"Samia mandray sy mihinana amin'ity ianareo
samia mandray sy mihinana fa vatako ity atolotro anareo"
Tsy hahadiso anay anie Jesoa ny fandraisanay izao vatanao izao
Tsy hanameloka anay koa ny fisotroanay ny ranao izao
Tsy hahadiso anay anie Jesoa ny fandraisanay izao vatanao izao
Tsy hanameloka anay koa ny fisotroanay ny ranao izao

2.Fa nony avy nisakafo dia nandray kalisy izy, nisaotra indray
Nizarazara sy nanome ireo mpianany ka nanao hoe:
Fa nony avy nisakafo dia nandray kalisy izy, nisaotra indray
Nizarazara sy nanome ireo mpianany ka nanao hoe:
"Samia mandray sy misotro amin'ity ianareo
Ho famelana ny fahotana ka ataovy izao ho fahatsiarovana ahy" (Hoy i Kristy)
"Samia mandray sy misotro amin'ity ianareo
Ho famelana ny fahotana ka ataovy izao ho fahatsiarovana ahy"
Tsy hahadiso…

A/C : EPALA Lovasoa Huberto Fortunat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa
Vangy : 875
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Huberto
Daty : 14/08/2015 09:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718