Tanora voninkazo soa (Chorale Mimoza FLM Antsirabe Antampontanana)

Misy ilàna anao tanora voninkazo soa
Hanasoa ny firenena amin'ny herinao
Misy ilàna anao tanora vonona tokoa
Hanasoa ny firenena amin'ny sainao

Mbola be ny namanao very ka zahao
Fa miandry ny mazava izay
Mamiratra aminao
Ny saina anananao, fanahy, tononkira.serasera.orghery koa
Ampiasao amin'ny asa mahasoa
Harena miafina tsy misy toa anao
Ka avia miasa hanasoa izao

Hamasino koa ny tenanao tanora o
Hanamasina ny asa iantsorohanao
Sao malemy an-dalana ianao ry namako o
Manangoly koa satana ilay rafinao

Mbola be ny namanao very fa zahao...



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Mimoza FLM Antsirabe Antampontanana
Mpamaky : 750
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jantina
Tamin'ny : 16/06/2014 18:40:08
ID : 6588

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo