VOLA (Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifoha vao maraina, izao no ao an-tsaina dia vola (vola*2)
Hariva ny andro, mody masoandro dia vola (vola*2)
Vao tonga ao an-trano ny vaovao avy any dia vola (vola*2)
Matory am-pandriana ny vavaka adino fa vola


(vola)
in-2
Ny vola no fototry ny ratsy eto an-tany (vola)
Ny vola no mety tsy atongavantsika any (an-danitra any)
Jesosy anie miantso antsika amin'izany (vola izany)
Ho very anie izay miaina amin'izany.



Dia izao no azo ambara ny filazantsara Jesosy (Jeso*2)
Manafatra antsika amin'izao vola izao Jesosy (Jeso*2)
Vohay ny fonao dia handroso izao Izy izao Jesosy (Jeso*2)
Efa miandry elabe, fitiavana anie hoy aho Jesosy


(Jeso)
in-2
Izaho anie tsy milaza hoe ratsy ny vola (vola)
Ny fiainana mandrakizay aza antakalo vola ( fa tsy ho azo mora)
Jesosy anie miantso antsika amin'izany (vola izany)
Ho very anie izay miaina amin'izany.

(oh, oh, oh, oh) ho very anie izay miaina amin'izany (3*)

CHORALE MAROMIZAHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF)
Vangy : 654
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fraiderica2018
Daty : 20/02/2019 15:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1345