RY BETLEHEMA O! (Chorale Fehizoro Fanantenana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mba miavaka indrindra ianao
Ry Betlehema kely
Fa avy ao aminao no ivoahany
Ilay atao hoe Mesia.
Izay efa nambaran'ireo mpaminany
Ka nandrasana ela ihany
Fa hitondra hery sy ainga vaovao
Ho an'izao tontolo izao.

1-Mba miavaka indrindra ianao
Ry Betlehema kely
Fa avy ao aminao no ivoahany
Ilay atao hoe Mesia.
Izay efa nambaran'ireo mpaminany
Ka nandrasana ela ihany
Fa hitondra hery sy ainga vaovao
Ho an'izao tontolo izao.
(Ry Betlehema ô!)

REF : Ry Betlehema kely ô!
Ry ilay mbola sondrian-tory (Ny voninahitra)
Ny voninahitr'Andriamanitra
Mamirapiratra eny an-danitra
Dia manambara fahasoavana
Zay mirotsaka eo aminao.

2.Na bitika sy kely ianao
Tsotra, tsy mba toy ny hafa
Dia sambatra kosa fa voafidy
Ho tanàna ahatongavany
Koa indro, mifohaza raha matory
Ka ny maso asandratra ambony
Banjino iry kintana ambony iry
Jereo ny tandrifiny.

2.Na bitika sy kely ianao
Tsotra, tsy mba toy ny hafa
Dia sambatra kosa fa voafidy
Ho tanàna ahatongavany
Koa indro, mifohaza raha matory
Ka ny maso asandratra ambony
Banjino iry kintana ambony iry
Jereo ny tandrifiny.
(Ry Btelehema ô!)

REF : Ry Betlehema kely ô!
Ry ilay mbola sondrian-tory (Ny voninahitra)
Ny voninahitr'Andriamanitra
Mamirapiratra eny an-danitra
Dia manambara fahasoavana
Zay mirotsaka eo aminao.

(Ry Betlehema ô!)

REF : Ry Betlehema kely ô!
Ry ilay mbola sondrian-tory (Ny voninahitra)
Ny voninahitr'Andriamanitra
Mamirapiratra eny an-danitra
Dia manambara fahasoavana
Zay mirotsaka eo aminao.

Tonony sy Feony : Rivo Andriamalala (2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Fehizoro Fanantenana
Vangy : 1280
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ZokyRivo
Daty : 16/11/2018 13:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721