JESOSY TSY MANDAO (Chorale FEHIFI Moramanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Na dia maro aza ireo mpanenjika
Na ny havana toa mamitaka
Fantatro jesoa fa ao aminao ihany
misy fiadanana sady tena mamy

REFRAIN1 : Haiko fa ianao tsy mandao
Na dia maro ny hadalana izay natao
Na tsy mendrika hiantso ny anaranao
Na maditra aza aho dia noraisinao

2.O ry namako O ambarako aminao
Na mandalo ady sarotra ianao
Atokiso hatrany ilay mpamonjinao
Dia Jesosy izany izy no tsy mandao

REFRAIN2: Tsarovy fa Jesosy tsy mandao
Na dia maro ny hadalana izay natao
Na tsy mendrika hiantso ny anaran'ny Ray
Na maditra aza dia raisiny indray

Na manenjika aza izao tontolo izao
Izao no ataovy an_tsaina JESOSY TSY MANDAO

A/C: Elie R
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale FEHIFI Moramanga
Vangy : 765
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : eliecarriorf
Daty : 12/03/2019 16:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852