Ravinkazo (Chorale Akompiderana Anatihazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Toa ravinkazo entin-driaka ny fiainako
Tsy misy tanjona izay hitodiana
Raha ts eo ianao Tompo ô, antenaiko
Henoinao re 'ty feo mitalaho

2-Toa sambokely entin'ny onja ny fiainako
Tsisy seranana izay hitodiana
Raha tsy eo ianao Tompo ô, andrandraiko
Henoinao re ty feo mitalaho

3-Toa voron-kely efa very ny fiainako
Tsy misy akany izay hilasiana
Raha tsy eo ianao Tompo ô, hitokiana
Henoinao re 'ty feo mitalaho

REF: Vonjeonao, arovinao Tompo ô
Vonjeonao re ty Fanahy, mitady anao
Vonjeonao, tantanonao Tompo ô
Vonjeo re ity fanahy very anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Akompiderana Anatihazo
Vangy : 1587
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : franckyrkt
Daty : 25/06/2016 13:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733