Ny fanahinao ry Tompo (Chorale Akompiderana Anatihazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fanahinao ry Tompo, no mamelona ahy
Hitondrako ny fiainako, ny fiainako eto an-tany
Ny anatrao, zary vatsy ho ahy
Ary hery hivelomako eo akaikinao ry Ray ô

Indro atolotro anao, ny heriko rehetra
Ho anao ry be fitia, Ho anao doria doria (2)
Ry tompo ô meteza ianao
Ho mpiambina ahy izao

Arotsahy ato amiko, ny fanahinao ry Tompo
Hanazava izny lalako,hahitako izay aleha
Fa ianao, ianao irery ihany
No hany lalana sy tanjona hiafarako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Akompiderana Anatihazo
Vangy : 1473
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : franckyrkt
Daty : 29/06/2016 12:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3165