Ave Maria (Chorale Akompiderana Anatihazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Sitraky ny Ray ny toetranao
Notsongainy ho renin'ny Mpamonjy
Tsy niambatra, feno toky
Ny arahaban'ny Anjely
Ary izao tontolo izao, ny taranaka rehetra
Miantsoantso hoe: Sambatra

Ref: Ave maria, Ave Maria, Ave
Ave, Ave Maria

2- 'Lay naterakao no niampatra
Hazo fijaliana tsy mitsitsy
Ontsa ianao nibanjina azy
Vonon-dranomaso, sentosenton'alahelo
Noleferinao ireny hahatonga famonjena
Reny be fitia tia anay

3- Lalan-tsarora no diavinay
Fantatrao ny onjam-piainanay e
Be ny fahavalo, sy fakam-panahy
Manakivy anay tsy handroso
Mino anefa izahay eo anilanay ianao
Mankahery anay ka handresy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Akompiderana Anatihazo
Vangy : 1947
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : franckyrkt
Daty : 29/06/2016 12:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743