Miray feo (Che Bel Canto !)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fanirianay dia ho mandrakizay, no hahatsiarovanay izao ora izao
Fa raha tonga ny andro iray, handaozanay anao
Izao hira izao, kaloy, hirao
Fa hitoetra ao am-ponao
Tsoriko hatramin'izao, fa mbola tiako izy
Ka izay ditrany lazainao tsaroako
Tsoriko hatramin'izao, f'izy no fidiako
Izay fiainanay avelao
Raha toa ianao ka tia mozika, dia mba hiaraka hikalo aminao
Raha toa manerika, mangatsiaka, hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tànana aho rehefa tonga any, f'izay ilay tsy hahafoizako anao
F'omeo ilay tsiky iray tsisy ahiahy, ilay tena tiako any aminao
Ho hiran'ny fo izaho sy ianao, hira mamin'ny fiainam-baovao
Hirahiram-pitia efa tao, izaho sy ianao
Fa ho hiran'ny fo izaho sy ianao, hira mamin'ny fiainam-baovao
Hirahiram-pitia efa tao, izaho sy ianao...
Andao indray, hanao mozika izay mampiray hatrizay
Handresy ireo adim-piainana efa mankaleo
Izay gadona hatao, hanome fifaliana vaovao
Ny Melody kosa indray, hampiaina fo sy fanahy...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Che Bel Canto !
Vangy : 1799
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 09/04/2017 20:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2826