First love (Chantal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay sangisangy fanaontsika ireny
Ireo teny mamy izay fanaonao ahy
Isika roa ilay tokana irery
Tsaroako eto indray izany androany
Asa ianao raha mba matadidy
F'isika tsy mifankafoy
Sedram-pitiavana mangidy
No nampisaraka ny fo

Fa samy tia tokoa
Fa na ankehitriny aza dia
Mbola ato am-poko lay fahasambarana taloha
Nafanam-pitia eo anilan-dry
Rariny aho raha mahatsiaro
Satria voaloham-pitia

Nirava nianatra tamin'izay
Isika roa nifanao fotoana
Iny ianao fa nanoroka ahy
Hatramin'izao akia tsaroako foana
Asa ianao raha mba matadidy
F'isika tsy mifankafoy
Sedram-pitiavana mangidy
No Nampisaraka ny fo

Fa samy tia tokoa
Fa na ankehitriny aza dia
Mbola ato am-poko lay fahasambarana taloha
Nafanam-pitia eo anilan-dry
Rariny aho raha mahatsiaro
Satria voaloham-pitia

Lay sangisangy fanaontsika ireny
Ireo teny mamy izay fanaonao ahy
Isika roa ilay tokana irery
Tsaroako eto indray izany androany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chantal
Vangy : 40015
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : ulrichandrianina
Daty : 31/07/2017 09:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725