You are here: home > Tononkira > Chamir

Mba faniriana (Chamir)

Tsy haiko raha tsapany ity foko tia azy.
Tsy haiko na fantany ihany koa ny fisiako.
Ny foko efa ela no nitepo fitia hoan'azy.
Tsy fantany aho na mety nodiany tsy hita.
Nataoko daholo zay tiany,
Niezaka mafy aho mba ho fantany manontolo,
Ny eo anilany no mba faniriana
Nanova akanjo aho dia namboariko koa ny volo.

REFRAIN:
Fa tena tia aho,
Tsy afa manohatra na dia tia eh
Mijanona ho faniriana eny foana,
Any ho any koa mety efa misy nytononkira.serasera.org tena tiany sady tia azy,
Hanome azy zay ilainy eh
Raha aminah mety malaina izy fa
Rehefa sambatra izy dia tena sambatra koa ny foko ieh..Mmmh!

2.
Nitia mangina,
Tsy fantatr'ilay olona akory
Mibanjina ny sariny aho alohan'ny hatory,
Nefa izy ve any ho any mba mahalala,
Hoe 'zaho aty mila ho lasa adala?
Fa raha ny aminah na zany aza vonona hiafy eh
Hanao metimety foana hanova fitafy eh.
Ny eo anilany no mba faniriana,
Na nofy fotsiny aza za mbola manantena..

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chamir
Mpamaky : 434
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : safidy.english29
Tamin'ny : 02/02/2019 16:17:13
ID : 11346

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo