You are here: home > Tononkira > Chamir

Isika roa (Chamir)

Tsy nitady zavatra lafo vidy ianao
Fa fitia dia ampy eh..
Ny fitiavanao tena sarobidy hoahy,
Ny ankoatr'izay tsy hilaiko ouhhh

Tsy rehefa andro malaza ihany,
Vao porofoiko @nao ilay fitia...
Fa isan'andro isan'andro ouhhhh
Tia anao foana aho...

Nandeha ny fotoana erin-taona sahady,
Niarahantsika roa..
Tsy afaka miteny aho hoe ho mandrakizay,
Fa ny ftononkira.serasera.orgitia no hamaritra izay mbola hoavy,
Tsisy fandrefesana ny fitiavantsika,
Hoe firy isan-jato ny ahy dia firy ny anao...
Fa ny fontsika no avelao ha
nambara
Fa samy tia tokoa...

Ilay fitiavantsika roa,
Zay mitoetra ato anaty,
Ka raha ianao no tsy eo
Iray minitra aza tsy ho tanty....
Satria satriko foana,ny hitoetra anilanao,
Ka raha misy fotoana,
Dia aza ilaozana aho...

CHAMIR

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chamir
Mpamaky : 132
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : safidy.english29
Tamin'ny : 25/01/2019 15:38:06
ID : 11288

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo