Ho Anao Manontolo (Chamir)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hifampizarako ny hafaliako hatrany,
No ilaiko olon-tiana eto an_tany,
Hiaraka hisedra ny mangidy sy ny mamy,
Hamafa tomany..

Efa ela ihany aho no nanana fitia,
Fa tsisy mihoatr'izay nomen_dry,
Fa tena fitiavana be dia be..
Eny be dia be e!....oooohh yehhh

Tena mamy....tena mamy...
Fiarahantsika hatrizay ka hatrizao...
Toy ny omaly ihany ny androany,
Ny ampitso ary ho mandrakizay akia...

Izaho sy ianao ihany no mahalala ny tsiambaratelo...
Matoa isika miaraka dia mifameno..
Anao irery aho
(na misy adiady tsy ataontsika handrava izany)
ireo taona mifandimby tsy hampiova ny fitia
Isika roa no tompontsafidy matoa miaradia,
Eny akii,
Ka ny androko sisa hoanao manontolo...


CHAMIR
st valentin 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chamir
Vangy : 1159
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : safidy.english29
Daty : 26/01/2019 12:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3592