Hifona (feat Chantal) (Chamir)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanao ny tsy mety aho
Nandika ny voady nifanaovantsika
Tsy nahatsapa akory hoe handratra anao
Fa nataoko ihany mba ho ahy
Ankehitriny resy aho
Ny ditrako rehetra efa hitanao
Tsy takona afenina fa hitanao ihany

Andeha ho any aho, hitalaho aminao farany
Hiangavy aminao ihany raha mba mandre
Hifona aho, hilela-paladia
Androany aho hitazona ny teniko farany
Tsy hamerina intsony aho miangavy re
Amindrao fo na tsy mendrika an-dry

Ny saiko tsy mety mino hoe ho vitanao ny hanadino
Tsy misafidy ny hanao ratsy aho
Fa tsy nahatohitra ny fakam-panahy
Tsy mba tsapako akory tamin'izany hoe
Hanehina ihany aho indray andro any
Ankehitriny vao tsapako ny ngidiny

Andeha ho any aho hitalaho aminao farany
Hiangavy aminao ihany raha mba mandre
Hifona aho, hilela-paladia
Androany aho hitazona ny teniko farany
Tsy hamerina intsony aho miangavy re
Amindrao fo na tsy mendrika an-dry

Na dia nisy aza ireny hadalana vitako
Tsy nampiova hatrany ny fitia ao am-po

Andeha ho any aho hitalaho aminao farany
Hiangavy aminao ihany raha mba mandre
Hifona aho, hilela-paladia
Androany aho hitazona ny teniko farany
Tsy hamerina intsony aho miangavy re
Amindrao fo na tsy mendrika an-dry


Tonony sy feony : Chamir
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chamir
Vangy : 6039
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/04/2019 17:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2445