HISY HAFALIAM-BE (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

Hisy hafaliam-be, any an-danitra
Raha misy olona iray, olona miova fo
Ka faly Andriamanitra sy ireo
vahoakan’ny lanitra
Fa mitombo isa hatrany hatrany
Ny Zanak’Andriamanitra
.
Fa iza ianao no ory fo?
Sy tsy manan-kantenaina koa
Ka lasalasa fisainana
Ny amin’izay mba hiadanana
.
Tsarovy fa ny eto an-tany
Dia eso, latsa, tomany
No vohitr’izay nitaiza anao
K’aleo miomana handao izao fa!
Ref:
Hisy hafaliam-be, any an-danitra
Raha misy olona iray, olona miova fo
Ka faly Andriamanitra sy irtononkira.serasera.orgeo vahoakan’ny lanitra
Fa mitombo isa hatrany hatrany
Ny Zanak’Andriamanitra
.
Tsy misy soa ho anao sy ho ahy
Raha mbola miaina eto an-tany
Hevero ny soa maharitra
Dia Ilay Tompo Andriamanitra
.
Endrey ny fitiavana
Nasehon’ny Ray ho an-tsika
Dia ny famelàna ny heloka
Hiadanan’ny olona hakao ka!
.
Hisy hafaliam-be , any an-danitra
Raha misy olona iray, olona miova fo
Ka faly Andriamanitra sy ireo vahoakan’ny lanitra
Fa mitombo isa hatrany hatrany
Ny Zanak’Andriamanitra
(x2)
.
Tonony sy ny feony: Rainijaonary

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 668
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rianaah
Tamin'ny : 02/02/2015 09:27:11
ID : 7133

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo