Fararano fiotazana (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 – Rehefa niharitra ireo fitsapana é !
Sy fisedrana mahamay
Ireo lalan-tsarotra nombana
Vita ihany izy izay
Fa tonga kosa ny ora fijinjana
‘Reo voa nafafy hatrizay
Ny finoana natao tsara tana
No nampitomboin’ny Ray

Fiv. Faly ny foko, faly é !
Te hitroatra hiantso mafy hoe
Tsy navelanao ho irery aho,
Hafa loatra ianao ry Ray
Rain’ny finoako,
Tsy namela ahy handre
Afa-tsy ny feon’ny fahendrenao,
Ka misaotra Anao izahay

2 – Ireo taona maro nampangina é !
Vao mainka koa nampifoha
Ka ny tendrom-po izay Notsindriana
No nanondraka ny voa
Fa nisahirana nikarakara e
Niasa tamin-kitsim-po
He namafy teny an-tany tsara
Ka nijinja voka-tsoa

3 - Lalam-baovao izay migodana é !
No nidiavinay izao
Nofenoinao fampanantenana
Sy fiainam-baovao
Fa Indro tazana eto ilay Kanana é
Nampanantenainao ry Ray
Satry foana hihira fiderana
Mba hisaotra anao zahay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Vangy : 2557
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 10/04/2016 12:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724