Embona ny lasa (Celestine sy Henriette)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mampanembonembona ilay andro lasa iny
Ilay namirapiratra feno haravoana
Ary lasa sy nandao navalon’ny fahiny
Hany mba napetrany embona sy fisentoana

Ary nentiny ireo hehy lavareny
Ireo hantahanta tanilan’i Neny
Dia nangina koa ireo hira nolalaina
Hira mamiko tsy afaka an-tsaina

Dia nilofika tokoa fa lavo koa ny fony
Andro tsy miverina, lasa tsy ho hita intsony

Dia nilefika tokoa fa takon-drahona any
Ilay namirapiratra feno hazavana
Fa ny fofony any zao dia levona sy lany
Lasa tsy maharitra ilay andro fahazazana

Mba nankaiza moa ireo hehy lavareny
Ireo hantahanta tanilan'ny Neny
Dia mangina ve ireo hira nolalaina
Hirahira izay mamin’ny saina

Dia nilofika tokoa fa lavo koa ny fony
Andro tsy miverina lasa tsy ho hita intsony


Tonony sy feony : Gilles Ramiarison
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Celestine sy Henriette
Vangy : 1495
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/09/2018 23:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122