ZEN (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VERSE ONE
Rafim-piainana miompana amin’ny fifantohana
Mila miataka amin’ny tabataban’ny fiara monina
Mampitoni-tena anaty rindram-pilaminanana, mila fahanginana
Ka ze rehetra tsy takatry tanana takatry ny saina
Miray amin’ny anaty, mahita ny alavitra
Manainga fanahy ilaina, harmonie amin’izay rehetra manan’aina
Lasa any ho any anaty fotoana voafaritra, na marary aza mahay miharitra
Fa tsisy tsy vitan’izay vonona,
Ory masoandro sy ny volana mbamin’ny kintana mahay mampionona
Asehoy fa miankina aminareo ny ampahan’ny fiainan’ny olona
Manaraka ny lalana natoraly mifehy ny tany
Fa izay rehetra misy mifampiankina hatrany
Atoroy izay rehetra manontany,
Ampenaro andanjalanja fa tsy misy zavatra tsy voafehan’ny olombelona zany raha mbola eto ambony tany
Tsy endrim-pahagagana fa anaty tontolo iray mistery maha tamanana

REFRAIN x 2
Zen, Siddhartaga zen,
Anaty meditaka porfoin’ny taratasy sy penina
Mahatakatra ny efa nafenina
Ny herin’ny fanahy hatram’zay tsy hita voa-ozongozona na pesipesenina

VERSE TWO
Fitaka ny hitan’ maso ka mikipy vo me mahita
Ny bibilava mpanelingelina ny heviny aty tsy tafita
K’aleo ipitrapitra fa ny zavatra inoako dia tena inoako
Ary miompana any ny saiko sy ny foko
Ny feo’ny fieritreretako irery iany no enoiko
Raha manandevo antsika ny rafitra isan-karazany
Itadiavo lalam-pahafahana asivo filaminam-panahy ra tsisy fanafany
tsy lasa raha korotan-dava fa toa vao eo mitsikitsiky tampoka teo alahelo
Tsisy teny mahagaga mahafoana an’zany anatin’ny isa telo
Ny tontolon’ny TAO hitoero
Eo ampovoan’ny faribolana, amin’ny lafiny rehetra izy vaha-olana
Fa fahendrena goavana, mpanelanelana mampiavana ny marefo sy ny mazana
Ny ory sy ny manana sns … ze rehetra mifanohitra
Ifameno sy ifanampy amin’ny alalany dia ifanoroka

REFRAIN x 2
Zen, Siddhartaga zen,
Anaty meditaka porfoin’ny taratasy sy penina
Mahatakatra ny efa nafenina
Ny herin’ny fanahy hatram’zay tsy hita voa-ozongozona na pesipesenina

VERSE THREE
Maka ny paozin’reo voahirana,
mandritran’ny adin’ny maromaro mihaino ny feon’ny fahanginana
Mitohy foana ny fitsangatsanganana anaty toerana, anaty fotoana tsy nilana milina
Maraina, ataondro, hariva tsy mijanona, mitohy hatramin’ny alina
Anelanelan’ny faharendremana sy ny torimaso ny ambiroa no alefaso
Mazava ny miafina rehetra raha ny dimensiona faha-efatra no miantsoantso
Mila fehezina ny misterin’ny tontolon’ny tsipika mira zotra
Sarotra inoana ny fivelarana raha mbola any amin’ny materialy ny olona no milokaloka
Na mbola mila dokadoka
Aleon’ny Hendry mangina, manam-pahaizana mandinika,
ary aleon’ireo tsy mahalala mitakoritsika mampiely hevi-diso
Atao ahoana fa tsy maintsy mila karazana vao maha-forona tontolo
Aza tsiny fa tsy maintsy miara-miaina enao zany amin’ny mpamosavy sy voron-dolo

REFRAIN x 2
Zen, Siddhartaga zen,
Anaty meditaka porfoin’ny taratasy sy penina
Mahatakatra ny efa nafenina
Ny herin’ny fanahy hatram’zay tsy hita voa-ozongozona na pesipesenina


Album: ANY ANKOATRA NY MARINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 2867
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 22/03/2018 18:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1209