Veloma ny tany (Brams)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tafy tomany arô mitazagna vatako miampatra
Loso fahignana vatako midôko fa tsy mivolagna
Na zah tsy mahafoe hiala amin'ny donia e
Fa Izy mandidy manapaka, koa lera tsy maintsy miakatra

Mangina mama, zoky ndreky zandry e
Fa zaho ato ô, amin'ny varavaran'ny lagnitry e
Ranomasonarô tsy hampipody fahignana
Amboara ny razana fa aza atahoragna.

Vatako gne mangatsiaka aza atao fandevenan'alika
Fagnahiko tsy maty fa amin'ny habakabaka
Hirako jiaby soloako vavaka e
Soratako amin'ny banderole agnaran'ny Tompo
Satria mavozo tsao tafiditra agnatin'ny motro zah o

Veloma ny tany e
Veloma veloma veloma e

Ny agny efa vita e, fa aty koa manohy tantara
Na mazoto malaigny tsy maintsy mandalo fitsaragna
Paradisa zegny tsy azo tsofotsofôragna koa tsy madio
Tsy haiko zah hisaiky amin'ny savonette na hamaky bokin'i Matio
Atahorako zah tsao milentiky, hifona Aminao zaho matetitetika e

Anao tsy mandry matsagna fa mitazagna
Zagnahary tsy nandeha l'école fa tsisy diso koa manoratra
Na ny tsara na ny ratsy vitako tany hitagny e
Ato zaho miambigny valiny e
Paradisa sa motrobe

Fagnahiko tsy maty fa amin'ny habakabaka
Hirako jiaby soloako vavaka e
Soratako amin'ny banderole agnaran'ny Tompo o
Satria mavozo tsao tafiditra agnatin'ny motro zah o

Veloma ny tany e
Veloma veloma veloma e

- Magnomboka fitsaragna.
- Eeh Babako o
- Ianao ve i Brams ?
- Eeh da iaho tokoatry
- Mba azonao hognony raha jiaby nataonao tany ?
- ... aby fa nisy kely tadidiko loatra
- Andao ary fa ambarako anao izy. Anao tany nampirafy, maro viavy !
- Iaho tamin'ny agny tsy maro viavy fa indreo misary lolo aminah ka daaa
- Anao tsy mba mivavaka, tsy mandeha l'église
- Te handeha koa iaho fa ndre ny fivavahako da asiandreo vidim-pidiragna
Nefa Madagasikara krizy
Laha sy mitondra vola da tsy ampidirindreo l'église
- Zaho aza avandesagna, regninao zegny ?
- Iaho da sy mavandy Aminao zah fa marigny aby raha zakaiko Aminao
Eeh Aba, ka miangavy Anao an-tagnandroa zao
Ka aza alefa amin'ny afobe
Azafady eky rô abako
Mba nisy hafa koa tsara vitako tambogny tany ndre kidikidy
Mba ampidiro paradisa avao rô iaho

Veloma ny tany e
Veloma veloma veloma e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Brams
Vangy : 3541
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/01/2017 14:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747