Satriko ho lazaina anao (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

Be ny zavatra ato an-tsaiko
Raha efa izaho hahita anao
Ôôô
Satry foana re ry aiko
Hotantaraina irery aminao

Ny sariko fahiny,
Sendra hitako ankehitriny
Satriko ho lazaina anao

Angano iray mba sendra reko,
Hira kely notendreko
Satriko ho lazaina anao

'Zany 'lay fangitakitako
Fony vao ianao no hitako
Satriko izao sy izao
Hotantaraina aminao

Ny fangatahako miavaka
Ho anao rehetononkira.serasera.orgfa mivavaka
Satriko ho lazaina anao

Ny fideran'ireo sakaiza
Ny endrikao hatraiza hatraiza
Satriko ho lazaina anao

Musique

Kanjo anefa rahavako
Tsy haiko fa voafatotra ny vavako
Ôôô
Nahoana re no tsy voalazako
Feno angamba, feno angamba
Ny fitiavako
Ka tsiky kely
Izay, izay ihany
Sisa hilazako izany .

Tonony : Rado ( Georges Andriamanantena )
Feony : Ramboatiana Etienne
Mpihira : Bouboul & Voahirana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Mpamaky : 3108
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Chri
Tamin'ny : 09/07/2009 12:56:22
ID : 5625

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo