Raha ny zaza (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é
(rodobe) Ny zaza miaina amin’ny fialonana
Fankahalana tsy hay saronana
(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é
(rodobe) Ny zaza voataiza amin’ny fanakianana
Fanaratsiana no ataony fananana
Fa ny ankizy izay niaina
Tao anatin’ny sitraka
Azo inoana fa any aoriana
Fa tsy ho tia fitapitaka
ô! ô! ô! Manjaka amin’ny zaza ny fahamarinana
Rehefa lehibe izy, tsy ho sahirana.

(miverina in-2 hatrany am-boalohany)

(musique guitare intermède avy eo)


(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é
(rodobe) Ny zaza mihanta sy be angoty
Mitoreo foana izy fa tsy voky
(sôlô lahy) Raha ny zaza ô ô ô ô
(rodobe) Ny zaza miaina aman-tahotra
Tsy hahatoky tena fa hiahotrahotra
Fa ny ankizy izay miaina amin’ny fahendrena
Tsy ho sarotra ho azy ny ho tody
Amin’ny zava-kendrena
ô! ô! ô! Tanora mazoto, tsy be fitarainana
Tsiky no hasetriny ny onjam-piainana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Vangy : 3155
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Daty : 19/09/2003 17:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0083