Ny fiangonanay (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

Mijoro an-tampon-kavoana
indro fa tazako indray
toerana tsy hay hadinoina
misy ny fiangonanay
          injay reko ao ihany
          ny lakolosy fahiny
          ny feony manako hatrany
          mandraka androany

(intermède musical + hum hum hum.....)

Tsiahy no indro tsy tana
hahatsiarovako ny fahazazana
fony izahay mbola kely
mihira ny andro noely
          mba aiza tokoa ary izao
      Tsiky dia ampy    ireo ankizy niara-nilalao
          mirakitra zavatra ho ahy
          ny mijery ny fiangonanay

(intermède musical + hum hum hum.....)

Ny andro izay hifaliako
sy hitantanako ilay olon-tiako
tso-dranon’ny mariazinay
ao amin’ny fiangonanay
          raha tonga ny ora fodiako
          hangatahako, firariako
          hilanjana ny vatako indray
          handalo ny fiangonanay

(ding dong ding dong ........)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Mpamaky : 2201
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : arlu
Tamin'ny : 24/02/2006 22:52:01
ID : 3486

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo