Andao Indray Hovangiana (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))


Ando indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao, natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Tsy nampaninona antsika akory
Ny fanala sy hatsiaka
Nanantena fa hanangoly
Ny tsirim-pitiavantsika

Ando indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toeraTsiky dia ampyna mangina
Natao,natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Sangisangy sy ny kalokalo
Tantara niaraha-nandre
Nampitodika ireo mpandalo
Moa tadidinao ve ?

Teo nanaovantsika dina
Ny voady sy toky mamy
Ka na sento na hafaliana
Niarahantsika hatrany

Raha iny tsy tafaray
Ny amiko sy anao
......

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Mpamaky : 2842
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ariary
Tamin'ny : 04/11/2003 04:37:12
ID : 2068