Vetso-takariva (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Singan'olona toa very izany izaho
Ravinkazo tafasaraka aman-taho
Tapak'ahitr(a) entin-driaka ka indrisy
Izay mba toera-nitodiana toa tsy misy

Zana-borona nanintsan'elatra aho
Raiki-tahotry ny orambe mitraho
Tsy mba zatra ny fanala an-keniheny
Ka maniry ny homban'ny ela-dreny

Manantena sady miandry fatratra aho
Ka ny taratrao ry volana hapariaho
Dia vimbino izany alahelo izanyFa ianao no tazana eto tsinjo any

Ombimanga diso ala mantsy aho
Manin-kavana tsy foy ka mitalaho
Any ambadika atsimon'iny bainga
Izay milaza tsy hisento re mandainga

Singan'olona toa very izany izaho
Sady tolan(ny manjo ka hivavao
O ry Zoky,O ry Zandry hany fara
Irario mba ho tafita soamantsara

O ry kintana ombay manatrika aho
Mila tsy ho very dia ka iresaho
Ianareo no solon-kava-mahatratra
Izarako izay mba zavatra mihatra

Dia veloma sy masina indrindra ho'aho
Ny fiarovan'ny Tsitoha no angatao
Izany sandriny mahery tsy hiala
Fa hivimbina ny dian'ny malala

Elisa Fredda
--------
Rohy:
Hevitra
seul110 ( 03/08/2015 08:45)
Tonokalin'i Elisa Fredda nokaloin'i Bodo !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 3294
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : seul110
Daty : 03/08/2015 09:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1289