Tsodrano (Bodo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bodo
Mpamaky : 3160
Nampidirin'i : Amazone
Tamin'ny : 05/06/2007 12:49:15
ID : 4499

Imprimer Facebook Facebook
Mangitakitaka anatiko ao
Mamaky ity fiainanao
Mibitabitaka manana anao
Ry dada toavina

Menaky ny aiko etsy babeko
Tsofiko rano ho tafita ianao
Dada ny aiko, feno dia feno
Zay efa vitanao tamiko

Mangitakitaka anatiko ao
Mamaky ity fiainanao
Mibitabitaka manana anao
Ry dada toavina

Ny anatra nataonao
No nampiorona ahy
Nandreseko ny onjam-piainana mahery
Mampanahy indraindray

Menaky ny aiko etsy babeko
Tsofiko rano ho tafita ianao
Dada ny aiko, feno dia feno
Zay efa vitanao tamiko

Mangitakitaka anatiko ao
Mamaky ity fiainanao
Mibitabitaka manana anao
Ry dada toavina



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo